Fanatanjahantena

BASKET-BALL – «CCCOI 2018» Klioba sivy aty amin’ny ranomasimbe Indianina hifaninana any Seychelles

Hotanterahina any Seychelles, amin’ny 5 – 11 desambra ho avy izao ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, taranja basket-ball ho an’ireo klioba tompondaka (CCCOI 2018).

Ekipa lehilahy enina sy vehivavy telo no hifanandrina mandritra ireo fito andro ireo, araka ny fantatra. Hanana solontena amin’izany i Madagasikara dia ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena eo amin’ny sokajy lehilahy ary nanainga io maraina io. Nisafidy ny fifaninanana afrikanina kosa ny MB2All, tompondakan’i Madagasikara, ka tsy handeha ho any Seychelles.

Hifaninana eo amin’ny sokajy lehilahy ny Cospn avy eto Madagasikara, Premium Cobras sy Beau Vallon Heat avy any Seychelles, Djabal avy any Kaomoro, Mahebourg Flippers BC sy Roche Bois Warrios BC avy any Maorisy. Ny ekipan’ny Montfrleuri Ladies Club sy B Challenge avy any Seychelles sy ny UCM avy any Kaomoro kosa no handray anjara eo amin’ny sokajy vehivavy.