Fanatanjahantena

Baolina lavalava- « Mondial » Lasan’i Afrika Atsimo fanintelony ny amboara maneran-tany

Nailik’ireo Afrikana tatsimo teo amin’ny lalan’ny fahom­biazany ny Anglisy, tamin’ny sabotsy lasa teo (32 – 12) tao amin’ny kianjan’ny Nissan, tany Japana.

Nandrombaka fanintelony ny anaram-boninahitra tompondaka eran-tany ho an’ny taranja baolina lavalava lalaovin’olona dimy ambin’ny folo izy ireo, noho izany (1995, 2007, 2019). Resy ihany i Angletera na dia nandavo an’i Nouvelle-Zélande, tompondaka intelo (1997, 2011, 2015) tamin’ny isa 19 noho 7 aza. Baolina nenti-tanan’i Makazole Mapimpi sy Cheslin Kolbe no naha tafavoahan’ireo mpilalao afrikana ho mpandresy.

Isan’ny nanamora ny lalan’ny Spingboks ihany koa ny faharesen’ny All Blacks iny, tany amin’ny lalao manasa-dalana. I Nouvelle-Zélande izay nahazo ny laharana fahatelo tamin’ity taona ity. Fanintelony ihany koa ity ekipa ity no nandrombaka ny medaly alimo nandritra an’io fifaninanana io (1991, 2003, 2019). Nadresy an’i Pays de Galles (40 – 17) izy ireo, ny zoma lasa teo
Hotanterahina any Frantsa ny andiany fahafolo ny fifaninanana amin’ny taona 2023. Ireo Frantsay izay efa nandray ny fiadiana ny amboara maenra-tany tamin’ny taona 2007.

Sendra R.