Zavakanto

Fampirantiana Hiova endrika ny efitra malalaky ny Louvre etsy Antaninarenina

Mandray ny andiany faharoa amin’ilay fampirantiana « Les Couleurs de notre île » ny etsy amin’ny Louvre Antaninarenina nanomboka tamin’ny 1 oktobra lasa teo hatramin’ny 30 novambra. Raha nahazatra ny maro ny nahita asam-pamoronana novolavolaina ho fitaovana ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro, firavaka sy haingon-trano samihafa, hitondra rivo-baovao ny mpikarakara amin’ity famaranana ny taona 2019 ity. Hampidirina anatin’ny akora fototra hiangaliana ireo fitaovana ampirantiana ny « Landy » ka anaty fitafy sy kiraro no hanehoan’i « Me Chic Gasy » izany. Hosokafana amin’ny fomba manetriketrika anaty filatroana sy lanonana miavaka, amin’ny 9 oktobra ho avy izao izany ny fampirantiana ataon’ireo mpanao asa tanana Vita Malagasy mivondrona ao amin’ny toeram-pivarotana « Les Goyaviers ».

Mandritra ny roa volana dia hampahafantarin‘izy ireo ny hakanton’ny vokatra malagasy. Isan’ny mpandray anjara anatin’ny hetsika moa i Tsu Tsu, Mad Creation , Liankanto, Ferronnerie d’Art, Tsara, Le Village, Terre ary Me Chic Gasy . Tsy very anjara ihany koa ireo mpanao hosodoko malagasy izay ravaky ny fampirantiana hatramin’izay nisiany. Ho an’ireo mpampiranty dia efa manana ny toerany sy ny kalitao izay afaka mifampitaha amin’ny vokatra maneran-tany ny vokatra malagasy. Ho an’i « Me Chic Gasy » manokana hamoaka akanjo enti-mianjaika vita amin’ny landy natokana ho an’ireo somary dongadonga izy ireo amin’ity etsy Antaninarenina ity.

Volasoa Randriamanantena

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra