Zavakanto

Asa tanana Miroso amin’ny famolavolana akora miavaka ireo mpanao asa tanana Malagasy

Tsy mitsaha mivoatra. Mampiavaka ny mpanao asa-tanana malagasy hatramin’izay ny fampiasany akora voajanahary. Mivoatra izany ankehitriny ka hita taratra amin’ny fampiasana akora manaraka ny fivoaran’ny asa-tanana maneran-tany. Isan’ny manampy ireo mpanao asa tanana Malagasy anatin’izany i Joarimiantra Delaine. Asehony etsy amin’ny Planet’Art Ankadimbahoaka ny hakanton’ny asam-pamoronany miaraka amin’ireo mpanao asa tanana ireo.

Manofana malagasy hampiasa ny « Fibre Résine » entina mandrary fanaka ity andriambavilanitra ity. Mpanao asa tanana malagasy miisa fito no miara-miasa aminy. Ny famolavolana fanaka fanao eny an-jaridaina no tena manavanana azy ireo. Tsy diso anjara kosa anefa ireo karazana fanaka rehetra na ny fandriana aza, araka ny nambarany. Afaka arafitra amin’ny alalan’ity akora ity avokoa rehefa fanaka na haingon-trano samihafa. Tsy voatery hanaraka ny modely efa misy ihany koa ny mpanjifa fa natao hanatanteraka ny nofinofiny sy ny endrika tiany avoitra ny ekipan’i Joarimiantra Delaine.

Volasoa R

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra