Tranga samihafa

FAKANA AN-KERINY Votsotra ilay Karàna tany Toamasina

Efa eo akaikin’ny fianakaviany ankehitriny i Nizar Pirbay, Karàna nisy naka an-keriny tany Toamasina,
25 andro lasa izay. Milaza ho tsy mahalala na inona na inona momba izao fahavotsoran’io Karàna io izao ny mpitandro filaminana any an-toerana. Mety nisy fifanarahana teo aminy sy ireo mpaka an-keriny tamin’ny fanomezana vola ho sandan’ny famotsorana.

Fampitam-baovao avy amin’ny fikambanan’ireo Karàna mizaka ny zom-pirenena frantsay monina
eto Madagasikara na ny Cfoim no nahafantarana ity vaovao ity, omaly. Ny azo antoka, araka izany, dia tsy vokatry ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana no nahafahan’i Nizar Pirbay niala teo am-pelantanan’ireo mpaka an-keriny. Na izany aza, milaza ny hanohy hatrany ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny eo anivon’ny Zandarimaria sy ny Polisim-pirenena any Toamasina.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra