Tapatapany

Vazaha sy Karàna

Afaka noho ny fisalasalana ireo olona telo sy vazaha iray voampanga tamin’ny raharaha fahitana Karàna iray maty, tao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara tetsy amin’ny La City Ivandry, volana vitsy lasa izay, nandritra ny fitsarana ny raharaha, omaly teny Anosy. Nandà ny fiampangana azy ireo olona efatra. Nilaza ny mpiaro azy ireo fa namboarina ny horonantsary niampangana azy efatra. Miandrandra ny tohin’ny fitsarana ity raharaha ity any Frantsa ny havan’ilay Karàna namoy ny ainy. Naharitra ora maro ny fitsarana ny raharaha, omaly. Manana telo andro hampiakarana ny mpitory raha tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana nivoaka omaly.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra