Sosialy

Toe-pahasalaman’ireo marary

Roa ambin’ny folo amin’ireo mararin’ny coronavirus eto amintsika no misy soritr’aretina. Ny efatra tamin’izy ireo no nisedra fahasemporana, na ilay hatao hoe soritr’aretina mampatahotra. Efa tsy mila ôksyzena intsony anefa ry zareo, amin’izao fotoana izao, ka efa azo antoka ny fahasalamany, indrindra eo amin’ny fiasan’ny fitaovam-pisefoana. Samy mahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo marary ireo.

“Azo atao ny mametra ny isan’ireo voan’ny “coronavirus” eto amintsika raha samy mandray andraikitra ny tsirairay. Tsy voatery hamoy ny ainy ireo marary. Ireo marefo no ahiana hanenika ny hopitaly ka mety tsy aharaka ny toeram-pitsaboana sy ny mpitsabo raha tsy mitandrina”, hoy ny profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle.