Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Fiarakely nivarina tany an-tanimbary

Nivarina tany an-tanimbary ny fiarakely iray nandalo teny Bemasoandro Itaosy, omaly maraina. Ny mpamily ihany no tao anatiny. Nisy ratra kely ny vatany, araka ny fizahana nataon’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana. Heverina ho noho ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Tsy voatazon’ny mpa­­mily ny familiana ka namantana tany amin’ny tanimbary manamorona ny arabe ny fiara. Nosokirina tao vao tafala ny mpamily.

Nidona tamin’ny andrinjiro kosa ny fiara tsy mataho-dalana iray teny Antsahabe, afak’omaly tolakandro. Ny mpamily irery ihany koa no tao anatin’ny fiara. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy izy.

Nateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana tato anatin’ny herinandro vitsy noho ny fahalalahan’ny lalana ka mahatonga an’ireo mpamily handeha mafy. Vao tamin’ny 31 marsa lasa teo no nisy fiara tsy mataho-dalana nifandona tamina “Mercedes sprinter”, izay nitarika fahafatesana olona iray sy faharatrana olona dimy, teny Tsarasaotra.