Sosialy

Fiarovana amin’ny Covid-19 Hamokatra tampim-bava 150 000 isan’andro ireo orinasa afaka haba

Nitsidika ny iray amin’ireo orinasa afaka haba manam­boatra tampim-bava hoentina miaro amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid-19, teny amin’ny “Zone Forello” teny Tanjombato, ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly. Nambarany fa tampim-bava 100 000 hatramin’ny 150 000 isan’andro no ho vokarin’ireo orinasa afaka haba rehetra manerana an’i Madagasikara, mandritra izao fotoana hiatoan’ny asan’izy ireo izao.

“Hanamboatra tampim-bava avokoa ireo orinasa ireo. Hisitraka ny vokatra, avy eo, ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpitandro filaminana manao ny asany. Hahazo tampim-bava iray avy ny isan-tokantrano”, hoy ny Filoha. Miavaka kely satria ahitana singa fiarovana amin’ny tsimok’aretina ity tampim-bava vokarin’ireo orinasa afaka haba eto Madagasikara ity. Efa am-perinasa tanteraka ny orinasa “Aquarelle” ao amin’ny vondrona “Ciel” hisahana ny fanamboarana azy, ankehitriny. Afaka hanamboatra an’izany koa ireo orinasa malagasy, afaka fotoana fohy.