Sosialy Tapatapany

Fitohanana

Mbola nitohana tanteraka ny fifamoivoizana teny amin’ny lalana mihazo an’Ambanidia, ny sabotsy lasa teo. Efa ho ora iray mahery no lanin’ireo fiara avy eo Antsakaviro hatrany Ambanidia. Tsy mbola nisy indray ny fanalalahana ny arabe izay nokasaina hatao. Nitohy hatramin’ny omaly ny fitohanana noho ny fahatapahan’ ny lalana teny Anosy. Nihazo an’Ambanidia sy Manakambahiny avokoa ny lalan’ireo fiara.