Tapatapany Tranga samihafa

Voatifitra teo am-pandosirana

Voatery nampiasa fitaovam-piadiana ny mpitandro filaminana nampijanonana ny lehilahy iray voatondro ho jiolahy tany Sarobaratra, Tsaratanàna, ny alakamisy lasa teo. Efa voasambotra saingy nandositra teny an-dalana io lehilahy io. Nitifitra ny zandary. Vokany, namoy ny ainy ilay voatifitrza izay voalaza fa jiolahy.