Tranga samihafa

Tratra ilay ankizilahy nanolana ka nahafaty zaza fito taona

Voasambotry ny polisy, teny Befelatanana, ny ankizilahy iray, 16 taona, voatondro ho nanolana sady niteraka ny fahafatesan’ ny zazavavikely, fito taona, teny Anosibe, tamin’ny faran’ny herinandro iny. Niainga tamin’ny fitarainan’ilay ankizy noho ny aretina an-doha sy kibo ny fahafantarana ny herisetra ara-pananahana nihatra taminy. Nanomboka teo ny fanadihadian’ny polisy, taorian’ny naharaisan’izy ireo ny fitoriana tamin’ity raharaha ity. Nindaosin’ny fahafatesana, afak’omaly alina, iry zaza iry.

Nambaran’ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana fa efa saika nanolana olona roa, fianakaviany akaiky ihany, itsy ankizilahy itsy.

Loham-baovao