Tranga samihafa

Moto tra-doza teny Talatamaty Voatazona ny fiara sy ny mpamilin’ny taksibe nahafaty olona

Nalain’ny zandary tamin’ny fotoana nahafaty vehivavy iray, teny Imerinafovoany Talatamaty, afak’omaly tolakandro ihany, ny mpamilin’ ny taksibe nitera-doza. Voatazona atao andrimaso ao amin’ny fonjakelin’ny zandary io mpamily io, hatramin’ny omaly.  Nogiazana ihany koa ny fiara nentiny. Mitohy ny fanadihadiana ary halefa eny amin’ny Fitsarana ny raharaha.Raha ny fizahana nataon’ny zandary teny an-toerana dia “noho ny fisongonana nataon’ilay taksibe tamin’ ny fiara mpitatitra hafa teo aloha no nahatonga ny loza. Nidona sy nahasaringotra ny môtô nanao taingin-droa nifanena taminy ny fiara. Voahitsany avy eo ilay vehivavy avy teny ambony môtô”.

Fantatra fa mpifamofo ireo lehilahy sy vehivavy nandeha môtô.

Loham-baovao