Tranga samihafa

Fitarainana maherin’ny enimpolo

Tsy mitsaha-mitombo ny fitoriana sy fitarainana voarain’ny Polisy misahana ny fiarovana sy ny herisetra mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona (PMPM) etsy Tsaralalàna sy Anosy. Fantatra fa telo amby enimpolo no isan’ny fitoriana momba ny fanolanana voaray, tamin’ny volana septambra lasa teo, raha telo amby telopolo izany, tamin’ny volana aogositra.

“Firaisana ara-nofo natao tamin’ny alalan’ny herisetra, fanerena, fandrahonana ary tampoka no amaritana ny atao hoe fanolanana. Olona akaiky ny zaza no matetika nahavita ny fanolanana. Mbola olana eto amintsika anefa ny fanaovana raharahampihavanana, hany ka voasarontsarona ny herisetra nitranga. Tsy sahy na matahotra mitantara ihany koa ilay niharam-boina satria havany ihany no nanolana azy. Ankoatra ireo, tsy manara-maso ny fahatomombanan’ny fahasalamana na ny vatan’ny zanany ireo ray amandreny ”, raha ny nambaran’ny kaomisera Ranaivoson Alexandre, tompon’ andraikitry ny fifandraisana eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Loham-baovao