Bao tsy mivily

Misoroka fa tsy mamono

Vahaolana ngezabe amin’ny fiainana ankapobeny fa tsy amin’ ny fahasalamana ihany ny fahaizana misoroka ny olana samihafa. Tena mitombina moa io fomba fiteny io raha ny fahasalamana tokoa rehefa mahare ny fitarainan’ny ankamaroan’ny Malagasy amin’ny fidangan’ny saram-pitsaboana isika. Tsy izany mantsy fa miomankomana amin’ny fifehezana ny vidim-bary, hono, izao ny Fanjakana. Te hisoroka ny fisondrotr’ity foto-tsakafon’ny Malagasy ity rehefa higadona ny maitso ahitra. Amin’izao aza moa dia mihazohazo amin’ilay sara nampimenomenona ny olona ny vidiny, mainka fa ao aoriana kely ao.

Lanja miakatra tokoa ny fiainana eto Madagasikara. Asa izay ho fivoaran’ny vidin’ny atody, ny menaka sy ireo entana hafa ilaina amin’ny andavanandro. Tsy ny vary ihany mantsy no mahavita ny sakafo. Maromaro koa anefa ireo singam-pitantanana ara-pihariana sy toekarena tsy maintsy fehezin’ny Fanjakana raha vao miresaka vidim-piainana fa tsy mionona amin’ny fikendrena ny famerana ny vidin’entana ihany. Mila misoroka ny fidangan’ny vidim-piainana izy saingy voatery manomana paikady hampiarahina amin’izany mba tsy hamono an’ireo mpandraharaha. Indraindray mantsy no lasa mamono ilay fisorohana.

Sao hamparefo ny fahavitrihan’ny tantsaha hamoka-bary, ohatra, ny famerana ny vidin’ny vokany noho ny antony samihafa. Sao ireo fotodrafitrasa sy masonkarena isan-karazany ihany koa no tokony hojerena, mialoha ny famaritana ny vidin’entana na fandraisana fepetra hafa toy ny fanatobahana vokatra mora vidy eny an-tsena. Singanina amin’ireo fomba fisorohana olana amin’ ny sehatra maro ireo fa izany moa no isan’ny antom-pisian’ny Fanjakana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao