Sosialy

Fanasaziana eny an-tsisin-dalana Hampiasana manerana an’Iarivo ireo fitaovam-pigiazana kodiarana

Hampiharina amin’ireo fiara sy môtô tsy manaja ny lalànan’ ny fifamoivoizana, indrindra ny sisin’arabe, manerana ny renivohitra ireo fitaovam-pigiazana ny kodiarana eo am-pelatanan’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Mandamina ny paika amin’ny fampiasana an’ireo fitaovana ireo ny kaominina, amin’ izao fotoana izao. Antony maro no hanasaziana ny fiara na môtô amin’ny alalan’io fitaovam-pigiazana ny kodiarana. Eo ny fandavana ny toromariky ny mpitandro filaminana na tsy fanolorana ny taratasin’ny fiara. Gejaina eo ilay fitaovam-pitaterana. Manaraka amin’ny fampiharana ny sazy ihany koa ny fiantsonana amin’ny toerana voarara.

Arahin’ny fametrahana taratasy mamaritra ny fandikandalàna ny fametahana ny fitaovam-pigiazana ny fiara na môtô. Tokony ho hita amin’io taratasy io ny mombamomba an’ireo polisy nahatsikaritra ny fandikan-dalàna. Alain’ny fiarabe manokana avy eo ny fitaovam-pitaterana ary hampidirina vala famonjana mandritra telo hatramin’ny folo andro. Arakaraka ny endriky ny fiara na môtô indray ny famaritana ny volan-tsazy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao