Fanatanjahantena

Baolina kitra – « Mondial 2022 » Mety hisokatra kokoa ny lisitry ny Barea

Miha manakaiky ny fotoana. Milaza ny hamoaka ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy taranja baolina kitra ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra sy Rabesandratana Eric, amin’ny alakamisy 5 aogositra ho avy izao. Maromaro anefa ireo mpilalao izay misedra olana any am-pitan-dranomasina, ankehitriny, tamin’ireo nantsoina niatrika ny fampivondronana tamin’ny volana jona lasa teo, teto Antananarivo.

Heverina ny hisian’ny fisokafana kokoa amin’ireo mpilalao hafa amin’ity lisitra vaovao hivoaka ity. Misy amin’izy ireo no tsy manana klioba intsony na vao mitady hilalaovana. Ao ihany koa anefa ireo miverina mamiratra indray, rehefa niatrika lalao ara-pirahalahiana.

Niantso mpilalao telopolo Rabesandratana Eric, tamin’ny volana jona, izay nandraisany voalohany an’ireo heveriny handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Mbola ao anatin’izany ry Andrianantenaina Abel Anicet sy ry Voavy Paulin, isan’ireo andrin’ny Barea teo aloha. Efa namaritra mialoha i Eric Rabe fa “tsy hijanona amin’ireo fa misokatra ny lisitra mandra-pivoakan’ ireo hiatrika ny lalao amin’i Bénin sy Tanzanie”. “Miankina amin’ny mpanazatra nasionaly izany satria andraikiny ny mijery an’ireo mpilalao ilainy”, hoy ny loharanom-baovao avy ao amin’ny FMF.

Mpilalao tsy manana klioba

Any amin’ny firenen-kafa dia saika ireo mpilalao mbola am-perinasa no antsoina mandrafitra ny ekipam-pirenena. Efa nisy anefa teto amintsika, mpilalao tsy nanana klioba no nalaina. Isan’ireny ry Rakotoarimalala Njiva sy ry Melvin Adrien ary Dimitri Caloin. Ankehitriny, efa samy milalao any amin’ireo klioba any ampilana ravinahitra izy ireo. Niova anefa ny fitantanana ny ekipam-pirenena ka heverina ny mety tsy hahatafiditra an’ireo mpilalao tsy manana klioba ao anatin’ny Barea. Tsy maintsy mitady vahaolana haingana ry Rabesandratana Eric sy ny mpiara-miasa aminy, raha te hahomby amin’izao fitsapana voalohany hosedrain’izy ireo izao. Tanjon’ity mpanazatra ity, rahateo, ny hitondra ny Barea ho any amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, hotanterahina any Qatar, amin’ny taona 2022.

Isan’ireo tsy nantsoina, noho ny ratra nanjo azy, tamin’ny fampivondronana farany i Thomas Fontaine. Efa miverina tsikelikely eny an-kianja izy miaraka amin’ny FC Lorient, tamin’ireo lalao ara-pirahalahiana roa efa natao. Mamiratra ihany koa Raveloson Rayan sy ry Romain Métanire, any Etazonia, ankehitriny. Taorian’ny niakaran’izy ireo Diviziona voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena Belza dia manohy fahombiazany miaraka amin’ny Union Saint-Gilloise koa i Loïc Lapoussin, izay tsy nahazo fitokisana tamin’ny mpanazatra teo aloha.

Maromaro ihany koa ireo mpilalao avy eto an-toerana misongadina amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hiditra amin’ny manasadalana rahampitso. Isan’ireny ry Randriamanjaka Rinho (CFFA) sy ireo mpilalao hafa tany amin’ny Jeunes talents de Mahajanga (JTM), klioba vao nisandratra nefa tonga hatreo amin’ny ampahefadalana. Tsininy kely fotsiny ny tsy mbola naha teto antoerana an’i Fabiano Flora, mpanazatra mpanampy an’i Eric Rabe, nijery azy ireny. Tsy manana tale teknika nasionaly ihany koa ny FMF hitily an’ireo mpilalao avy eto an-toerana, taorian’ny fodiamandrin’i Jean François Débon.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao