Tranga samihafa

Zandary navotan’ny polisy teny Soavimasoandro

Saika niharan’ny fitsarambahoaka, teny Soavimasoandro, ihany koa ny zandary iray miasa eny amin’ny Vondrona manokana na Gsis, eny Ivato, tamin’ny zoma hariva lasa teo tokony ho tamin’ ny 4 ora. Nikasa ny hamono an’io mpitandro filaminana io ireo andian’olona no nahazo fampandrenesana haingana ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo eny Analamahitsy. Izy ireo no nanavotra sy nisoroka ny fitsaram-bahoaka saika nihatra tamin’itsy zandary itsy.

Fifamaliana teo amin’ny mpitaingina bisikileta telo lahy sy io zandary io no niaingan’ny disadisa saika niafara tamin’ny fitsarambahoaka. Nisy tamin’ireo olona nitangorona no voalaza fa nihantsy an’ilay zandary. Tsy nahatohitra an’izany fihantsiana izany ilay mpitandro filaminana. Velona ny fifampikasihan-tanana teo amin’izy ireo. Fantatr’ireo mponina teo amin’ny manodidina io zandary io satria monina tsy lavitra eo sady mandalo eo rehefa mandeha miasa, araka ny loharanom-baovao.

Nanokatra fanadihadiana momba ity tranga ity ny fibaikoana ny Zandarimaria mba hahafantarana ny toe-javatra niseho marina.