Tranga samihafa

Famonoana ankizivavy Mitohy ny fikarohana ny lehilahy iray any Mahajanga

Naparitaka, nanomboka afak’omaly, ny taratasy filazana fikarohana lehilahy iray, roa amby efapolo taona, voarohirohy ho namono an’i Adriana, ilay zazavavy, fito taona, hita faty rehefa avy nalevina an-tsokosoko, tany Ambohimandamina Mahajanga, tamin’ny alakamisy lasa teo. Mpiara-monina tamin’ ilay zaza niharam-boina ihany ity lehilahy karohina ity. Samy manao ny fitadiavana azy ny polisy sy ny zandary any Mahajanga.

Io lehilahy io no fantatra fa nitondra an’i Adriana, mialoha ny fotoana tsy nahitan’ny reniny azy sy nikarohana azy teo antanàna. “Mety ho noho izy ireo efa mifankahalala no naneken’i Adriana nanaraka azy. Fantatra kosa fa tsy nisy olana teo amin’ io lehilahy io sy ny fianakaviana niharam-boina. Tsy mbola fantatra mazava, araka izany, ny antony niteraka hatramin’iny fanaperana ainy iny”, hoy ireo mpanao famotorana.