Tranga samihafa

Fakana an-keriny Lehilahy votsotra tany am-pelatanan’ny jiolahy

Tafaverina teo anivon’ny fianakaviany, omaly, ny lehilahy iray, manodidina ny dimy amby efapolo taona, nalain’ny jiolahy an-keriny, tany Bejofo, distrikan’Ambatondrazaka, tamin’ny harivan’ ny zoma lasa teo. Manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly izy ka tsy mbola afaka nitantara ny nahazo azy. Eo am-panaovana ny fanadihadiana ihany koa ny zandary any Ambatondrazaka.

Tsy toy ny trangana fakàna an-keriny fahita hatramin’izay no niseho tany Bejofo, tamin’ny zoma tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva. Tsy nisy fandrobana na fanafihana ary tsy nisy nahita ihany koa ireo olon-dratsy. Antso vonjy nataon’ilay lehilahy no naminavinana ny zava-nisy. Nitakian’ireo jiolahy vola ny fianakaviana ho tambin’ny famotsorana azy. Fantatra fa nivoaka tany ivelan’ny trano, raha iny izy nandeha nivalandrano iny, no lasan’ireo mpaka an-keriny. Ny ampitson’io no naharaisan’ireo havany antso an-tariby nitaky vola 15 tapitrisa ariary avy amin’ireo jiolahy.

Omaly maraina, araka ny vaovao azo avy amin’ny zandary any Ambatondrazaka, no navotsotr’ireo mpaka an-keriny io lehilahy io, ary tsy nisy ny fandoavana vola. Mitohy anefa ny famotorana na izany aza.