Tranga samihafa

ASAN-JIOLAHY MAHERY VAIKA Ankizy roa nisy naka an-keriny

Sady novonoin’ireo jiolahy ny lehilahy iray no nalain’ izy ireo an-keriny ihany koa ny zanany mianadahy. Mitaky fandoavana vola 8 tapitrisa ariary izy ireo ho sandan’ny famotsorany an’ireo takalon’aina.

Tany Ambiky-Malaimbady any Mahabo no nitrangan’ izany, tamin’ny faran’ny volana jona lasa teo, tokony tamin’ ny 10 ora alina. Maratra mafy tsaboina any amin’ny hôpitaly anefa ilay raim-pianakaviana.

Manodidina ny folo ireo jiolahy nanafika tokantrano iray. Novelesin’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny lohany. Mbola afaka nitsoaka izy, araka ny voalazan’ireo zandary any an-toerana, ka niantso vonjy tamin’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Nentin’ireo jiolahy nitsoaka, taorian’ izay, ny zanany, 10 taona sy 3 taona, ary tsy mbola hita hatramin’ny omaly.
*

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra