Tapatapany

Fahatrarana jiolahy

Azon’ny Polisy misahana ny heloka bevava Sakelika fahefatra, eny Ampefiloha, ireo jiolahy dimy miaraka amin’ny fiara teny Ivato, afak’omaly. Naman’ ireo roa lahy lavon’ny balan’ ny polisy teny Besarety tamin’ny 25 mey ireto voasambotra ireto. Tafaporitsaka tamin’ny fiara marika « Peugeot 406 » izy ireo tamin’io andro io raha nikasa hanafika fiara mitondra vola iray. Ankoatra ireto voasambotra dia nisy ny efa tratran’ny zandary tany Ankadinondry, araka ny filazan’ny polisy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra