Sosialy

Sekoly Sainte-Famille Naato noho ny fangatahan’ny mpianatra ny fampianarana

Namoaka filazana sy fampahafantarana momba ny fampiatoana ny fampianarana ny sekoly katôlika Sainte-Famille Mahamasina, nanomboka omaly ary mandritra ny fotoana tsy voafetra, ho an’ireo mpianatra ao amin’ny taona fahasivy sy taona famaranana. Avy amin’ny fangatahana nataon’ny mpianatra no nandraisana an’io fanapahan-kevitra io.

« Tapaka tamin’ny filankevi-pitantanan’ny sekoly ny fampia- toana ny fampianarana.Tsy misy mpianatra voan’ny valanaretina akory tato aminay fa ny mpianatra mihitsy no nangataka amin’ny hampiatoana ny fampianarana aloha. Eo am-pikarohana ny marina sy ny anton’izany izahay », hoy ny fanazavan’ny frera Tolojanahary Zo Michel, talen’ny sekoly Sainte-Famille tao amin’ny onjam-peo Antsiva, omaly.