Samihafa

Hira fiderana Mikarakara ny fifaninanana ny Sky Sound Team

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, afak’omaly, ny fifaninanan-kira ara-pilazantsara malagasy antsoina hoe: « Gasikara Midera » , karakarain’ny tarika Sky Sound Team. Afaka mandray anjara ao amin’ny tambajotrantserasera « Facebook » avokoa ireo Malagasy rehetra manerana ny Nosy ka havanana amin’ny fihirana hiran’olonkafa na ireny antsoina hoe « Cover » ireny.

Noraisina tamin’ny alalan’ny hafatra miafina (Ndlr: MP) ao amin’ny pejy « Facebook »-n’ny Sky Sound Team nanomboka, tamin’ny alatsinainy 1 jona, ireo horonantsary fohy avy amin’ireo mpandray anjara, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny 12 jona ho avy izao. Hampahafantarina, amin’ny 24 jona 2020, ny anaran’ny mpandresy. Lelavola iray tapitrisa ariary sy fanodinana rakikira iray maimaimpoana no loka miandry ny laharana voalohany.

Nohazavain’i Joseph D’Af, iray amin’ireo mpitsara telo miaraka amin’i Floginot Bezara sy Raharimalala Ruphin, omaly, ireo fitsipika mila arahin’ny mpifaninana : tsy maintsy hira fiderana an’Andriamanitra ana mpanakanto malagasy no hataon’ireo mpandray anjara sy hahodiny amin’ny horonantsary fohy maharitra telo minitra eo ho eo.

Hisafidy hira roapolo amin’ireo voray ny mpitsara. Aorian’izay no hamoahana an’ireo hira voafantina ao amin’ny pejy « Facebook »- n’ny Sky Sound Team. Anjaran’ny mpikirakira « Facebook » avy eo no mifidy izay ho voalohany.