Faritra Tranga samihafa

Poa-basy tany Toamasina Lehilahy roa namoy ny ainy voatifitry ny zandary

Tonga tany Ambohitaloha Toamasina ny zandary avy any Toamasina, ny alin’ny zoma lasa teo, nisambotra olon-dratsy. Namoy ny ainy, voatifitra nandritra izany, ny lehilahy roa voalaza fa anisan’ireo nandroba banky tany Toamasina izay nahaverezana vola an-tapitrisany maro, ny volana febroary lasa teo. Nambaran’ny zandary fa mbola nahitana ambim-bola halatra sy fitaovana maro hafa teny amin’ireto voatifitra.

Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana indrindra ny fikarohana ny olona telo hafa naman’ireo namoy ny ainy. Tsiahivina fa efa nisy ny olona naiditra am-ponja vonjimaika tamin’io fanafihana banky io.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra