Tranga samihafa

Fivadihana fiara Namoy ny ainy ireo olona enina nikasa hamonjy fahoriana

Loza goavana niseho tamin’ny zoma faran’ ny taona 2021 iny ny fivadihana fiara iray namoizana ain’olona enina tany Antanetimboahangy Anala- vory. Nivarina tany antanimbary ny fiara. Manohy fitsaboana eny amin’ny ho- pitaly ny sasany tamin’ireo niharam-boina hafa, satria nitondra mpandeha roapolo ilay fiara marika Mercedes Sprinter tra-boina.

Nitranga tokony ho tamin’ny telo ora maraina ity voina ity rehefa avy any Anosibe Ifanja, any amin’ny distrikan’i Miarinarivo, nikasa hamonjy fahoriana taty an-drenivohitra ireto fianakaviana. Tombanana ho nahatonga ny loza ny fahalaman’ny arabe vokatry ny firotsahan’ ny orana tany Antanetimboahangy, tamin’ny alakamisy 30 desambra. Feno tain’antsanga sy ranom-potaka avy eny an-tampon-tanety ny lalana.

Arabe malama

« Somary nandeha mafy ny fiara ka nikorisa nony nandia ny fotaka tamin’ny arabe. Tafavoaka ny lalana sady nivadika tany an-kavanan-dalana, avy eo. Tsy nahatanty azy akory na ny vodihazo nifatrarany aza. Nitohy nivadibadika intelo indray ny fiara, izay vao tafajanona tany an-tanimbary”, hoy ny tatitra avy tamin’ny zandary nanao ny fizahana tany an-toerana.

Maty tsy tra-drano ny mpandeha telo. Nosokirina tao ambany fiara mihitsy ny razana iray. Notaomin’ireo taksiborosy sendra nandalo namonjy ny hopitaliben’i Miarinarivo kosa ny mpandeha ambiny naratra. Olona roa hafa anefa no nindaosin’ ny fahafatesana teny an-dalana. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly ny fahenina.

« Anisan’ireo naratra na tsy dia voa mafy aza ny mpamily. Nindaosin’ny fahafatesana ny vehivavy tompon’ny fiara sy ny zanany vavy, 22 taona, miaraka amina mpivady iray ary zaza herintaona », araka ny fanampim-baovao avy amin’ ny mpanao famotorana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao