Sosialy

Fihanaky ny valanaretina Mampiomana ny hidirana amin’ ny andiany fahatelo ny Filoha

Tsy azo ihodivirana intsony fa tsy maintsy hiatrika ny andiany fahatelo ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 i Madagasikara. « Efa tokony hiomana amin’izany isika  », hoy ny Filoha Rajoelina, nandritra ny kabary firariantsoa ho an’ny Malagasy amin’izao taom-baovao 2022 izao, ny harivan’ny sabotsy 31 desambra 2021 lasa teo. Niantso an’ireo olom-pirenena rehetra hitandrina mafy mba tsy hiparitahan’ity valanaretina ity izy, indrindra fa ny fanajana an’ireo fepetra sakana hiarovana ny fiparitahany haingana eto amintsika. « Ilaina ny fahatongavan-tsainan’ny rehetra ary izay ihany no fiarovan-tena tsara indrindra  », hoy ny Filoha. Tsy mbola niresaka ny mety hamerenana ny hamehana ara-pahasalamana, na ihany koa ny mety hisian’ny fihibohana amin’ireo Faritra samihafa eto Madagasikara ny Filoham-pirenena. Mahatsapa anefa izy fa maro ireo olom-pirenena misedra ny mafy sy namoy havana tao anatin’iny taona nivalona iny, na maro aza ny ezaka nataon’ny fanjakana hiarovana ny ain’ny Malagasy. Isan’izany ny fitsaboana an’ireo marary maro nandritra ny andiany faharoa niparitahan’ity valanaretina ity teto amintsika. « Teo ny fanokafana sy ny fampitaovana an’ireo toeram-pitsaboana maro samihafa manerana ny Nosy nahafahantsika niaro an’ireo nila fitsaboana », hoy izy.

Fanaovana vaksiny

Niezaka nitady vahaolana maro ihany koa ny fanjakana teo amin’ny famokarana an’ireo fanafody nahafahana niatrika an’ity valanaretina ity. Naverimberiny fa nahitana ary mbola ahitana vokatsoa hatrany ny fampiasana ny CVO+ amin’ny endriny roa. « Nahavotra aina olona maro io », hoy ny Filoha. Nambarany koa anefa fa efa mizotra any amin’ny fanaovam-baksiny faobe i Madagasikara amin’izao fotoana izao vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo sampandraharaha iraisam-pirenena. « Vaksiny telo izao no misy eto amintsika dia ny Sinopharm, ny Pfizer ary ny Janssen. Efa misokatra ireo toerana hahafahan’ny rehetra manao izany, hatreny amin’ireo CSB2 », araka ny fanazavana noentin’ny Filoha hatrany. Notsindriany anefa fa « tsy antery ny fanaovana an’ireo karazana vaksiny ireo». Nilaza ny hanao izay ezaka hiarovana hatrany ny ain’ny Malagasy ny Filoha amin’izao fiatrehana ny andiany fahatelo amin’ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao