Raharaham-pirenena

JENERALY RANDRIAMANARINA JEAN CHRISTOPHE « Tsy maintsy manaraka ny ara-dalàna ny Zandarimaria »

Fanamby. “Raha mbola izaho no eto dia tsy hitarika antsika ho amin’ny korontana velively. Tsy maintsy manaraka ny lalàna ny Zandarimaria satria tarigetrantsika ny hoe : Tanindrazana sy lalàna”, hoy ny voalohan-tenin’ny jeneraly Randriamanarina Jean Christophe, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, teny Betongolo, nanoloana ireo zandary manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra maro, omaly.

Nanafatrafatra ity tompon’ andraikitra voalohany eo anivon’ny Zandarimaria ity fa “tsy izay mety na tsy mety amin’ny zandary tsirairay no atao fa izay mety amin’ny firenena. Tsy misy afa-tsy ny fanarahan-dalàna ihany no tombontsoan’ny rehetra. Ny fitondrana am-perinasa no ara-dalàna dia io no arahina. Rahampitso mamoaka ny voka-pifidianana ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana dia izay vokatra eo no hiraisantsika ato amin’ny Zandarimaria. Tsy miditra amin’ny zavatra mifanohitra amin’ny Lalàm-panorenana isika. Tanjona dia mizotra am-pilaminana ny fiainam-pirenena”.