Samihafa

HALATRA Ankizilahy tsy ampy taona tratra namaky trano

Telo ambin’ny folo taona, dimy ambin’ny folo taona ary enina ambin’ny folo taona ireto tovolahy telo voatondro ho namaky trano teny Ambohidrapeto Itaosy, tamin’ny sasak’alin’ny zoma lasa teo.

Voasambotra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny lehilahy iray, 25 taona. Natolotra ny Fampanoavana izy efa-dahy ireo, taorian’ny famotorana nataon’ny zandary.

Notazonina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay lehilahy, 25 taona. Nalefa eny amin’ny fitaizana zaza maditra eny Anjanamasina kosa ireo tsy ampy taona.
Mpitandro filaminana nanao fisafoana no nahatsikaritra an’ireto andian’ankizy teo am-pamakiana trano teny Ambohidrapeto. Nirifatra nandositra izy ireo, vantany vao nahita ny zandary. Voasambotra, tamin’io alina io, ny roa. Nanondro ny namany roa ambiny izy ireo, ny ampitso.

Nambaran’ny mpanao famotorana fa nahitana karazana fanalahidy hosoka miisa sivy amby efapolo tany amin’izy ireo niaraka tamina fitaovana hafa famakiana trano. Efa maro ny trano lasibatr’ireto voarohirohy ireto eny amin’iny faritra iny.