Tranga samihafa

FIREHETANA Trano enina ravan’ny afo

Tranohazo efatra sy trano biriky lehibe roa no niaraka kilan’ny afo, tetsy amin’ny 67Ha Avaratra Atsinanana, omaly maraina. Nolalovan’ny afo saingy nieren-doza ihany ny trano iray hafa.

Tao anaty torimaso tanteraka ny olona no niredareda ny lelan’afo, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina. Nambaran’ny loharanom-baovao avy amin’ny Sampana
mpamonjy voina fa tao amin’ny tranona mpivady lehibe iray no niavian’ny afo. Tsy fantatra mazava ny nahatonga izany fa ny afo efa niredareda no tazana.

Nalaky niitatra izany noho ny fisian’ireo tranohazo mifanakaiky. «Voavonjy ara-potoana ireo zokiolona mpivady. Tsy nisy rahateo ny olona naratra na namoy ny ainy », hoy ny eo anivon’ny Sampana mpamonjy voina.

Fiara lehibe efatra mpamono afo no nalefa teny an-toerana, vantany vao nahare ny antso vonjy ny Sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Voalaza fa noho ny tsy fisian’ny vavafantsona fakana rano eny amin’iny faritra iny no antony nitondrana an’ireo fiarabe ireo. Dimy ambin’ny folo minitra teo ho eo vao voafehy tanteraka ny afo.