Raharaham-pirenena

FIHAONANA TENY MAHAZOARIVO Ao ambadiky ny fifidianana tanteraka ny iraisam-pirenena

Fanohanana lalim-paka. Nahazo dera tamin’ireo solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny voalaza fa ezaka vita manodidina ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny alarobia 7 novambra ho avy izao ny governemanta. Nambaran’i Ramtane Lamamra, iraky ny Vondrona Afrikanina, misahana ny fanelanelanana ny
raharaha pôlitika eto Madagasikara fa “efa vory ireo fepetra hahafahana miroso amin’io fifidianana io”. “Mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fana-tanterahana izany izahay”, hoy izy taorian’ ny fihaonana tamin’ny Praiminisitra, teny Mahazoarivo, omaly.

An-kilan’izay, nilaza ny fahafaham-pony amin’ireo fepetra sy andraikitra noraisin’ny fitondram-panjakana sy ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana tamin’ny fikarakarana ny fifidianana ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara.