Samihafa

Ala arovan’Ankafobe Sombin-tany maitso sisa no navelan’ny doro tanety eny Tamponketsa

Manamorona ny lalam-pirenena fahaefatra, ankavian-dalana raha ho any mahajanga, no misy ny alan’ankafobe. Ahitana karazan-javamaniry miisa zato mahery. Arahi-maso akaiky ny toe-piainan’ireo vorona manidina sy sahona ary gidro maro karazana, miaina ao anaty alan’ankafobe. Ny vondron’olona ifotony na “voi sohisika” no misahana ny fitantanana sy fiarovana ny tontolo manodidina manoloana ny doro tanety misy eny amin’ny tendrombohitr’I tamponketsa.

Hafotra na ihany koa sisan’afo no mety nahatonga ny anarana hoe Ankafobe. Ny alan’Ankafobe no anisan’ireo toerana maitso hany sisa tazana raha mandeha amin’ny làlam-pirenena fahaefatra, 132 km miala an’Antananarivo avy eo ankavian-dalana raha ho any Mahajanga. Mirefy telo amby telopolo amby zato hekitara ny faritra arovan’ny vondron’olona ifotony na Voi Sohisika ao amin’ity toerana ity. Feno bozaka maniry na horompotsy ny zato hekitara ary ala voajanahary ny ambiny. Manarina ny ala potiky ny afo amin’ny alalan’ny fambolena kininina sy voaroy ary kafe ny Voi Sohisika. Manao fikarohana amin’ny alalan’ny fambolena zana-kazo ireo mpisera dia na “Guide” izay mpikambana ao amin’ny Voi Sohisika.

Misy rian-drano mahaliana ny mpitsidika ao atsimon’ny alan’Ankafobe. Ahitana fasam-bazimba izay nandevenana ireo mpilanja ny mpanjaka raha sendra maty teny an-dalana ihany koa ao an-toerana. Ny tatao na tangorom-bato toy ny alitara no marika fa toeram-pandalovan’ny mpanjakan’ Imerina sy Sakalava ny alan’Ankafobe.

Fofona misarika moka

Niorina tamin’ny taona 2012 ny vondron’olona ifotony na Voi Sohisika. Mitahiry, Mikaroka ary Mampitombo sy Mivelatra no tanjon’ny fikambanana. “Ny fahitanay tanora ny fahavoazana vokatry ny doro tanety saika isan-taona ety Tamponketsa no nahatonga anay nanangana io fikambanana io. Nampalahelo loatra ny nahita ny fahasimbana vokatry ny doro tanety kanefa toerana manan-karena tsy fahita raha tsy eto amintsika ny ato anatin’ny alan’ Ankafobe”, hoy i Rivoharisoa Tahiry Victoria, anisan’ireo mpisera dia ao anaty alan’Ankafobe.

Tafiditra ao anatin’ny faritra arovana, sokajy fahaefatra ny alan’Ankafobe. Ankoatra ny maha toeram-pitsidihan’ny mpizaha tany an’Ankafobe,dia manana toeram-pambolena zana-kazo, miisa zato izay hanaovan’ireo mpisera dia fikarohana manokana. “Saronana lay misy fanafody ireo zana-kazo ireo satria misy fofona manitra izay misarika moka. Rehefa hita fa mahatanty ny kaikitry ny moka vao avoaka tao. Misy ireo hazo tsy haniry mihitsy raha tsy hampaniriana amin’ny toerana manokana sy mila fanaraha-maso akaiky isan’andro”, hoy hatrany i Tahiry, mitantara ny asa ataony andavanandro rehefa tsy misy mpitsidika ny toeram-piasany .

Mandinika ny fihetsiky ny vorona mihinana ny voan’ny hazo iray na ireny mianjera amin’ny tany ireny izy ireo. “Matoa ny vorona mihinana ny voan’ny hazo iray dia masaka azo ambolena eny amin’ny tanin-janakazo izy izay. Na ihany koa jerena ny eo amin’ny manodidina ny foto-kazo iray. Mihintsana rehefa tsofin’ny rivotra izay midika fa masaka eny am-potony”, hoy
i Tahiry, manazava amin’ny mahaolona mpikaroka azy ao anatin’ny alan’Ankafobe.

Fiantsoana vorona

Tazana mbola maitso tanteraka ny alan’Ankafobe. Karazam-borona miisa dimy amby telopolo raha ny fanisana farany no miaina sy manidintsidina ary mivelona ao anaty ala.

Sahona samy hafa miisa efatra karazana. Gidro miisa roa karazana mivoaka amin’ny antoandro ary iray kosa no mivoaka amin’ny alina. “Misy fitaovana manokana ampiasaina rehefa manisa ireo vorona ireo. Samy hafa mantsy ny feon’ny vorona na samy mihirahira aza izy raha vao maraina ny andro. Misy amin’ireo vorona ireo no efa atahorana ho lany tamingana. Izay no mahatonga anay manao ireo fiarovana amin’ny ady amin’ ny doro tanety”, hoy ihany i Rivoharisoa Tahiry Victoria, manondro ireo toerana ahitana ny fiarovana amin’ny doro tanety.

Ahitana rian-drano madinika ao anatin’ny alan’Ankafobe. Manome aina ireo zavamaniry ao anaty ala izany rehefa amin’ ny fotoana main-tany. “Tsy mety ritra mihitsy ireo loharano ato anaty ala. Noho ny ady nataonay amin’ny doro tanety tato anatin’ny taona maromaro no anisan’ny tsy maha ritra io loharano io”, hoy Rivoharisoa Tahiry Victoria, manana fanantenana fa tsy ho fongana intsony izany alan’Ankafobe izany.

Ady amin’ny doro tanety

Manana tetik’ady manokana ireo Voi Sohisika amin’ny ady atao amin’ny doro tanety. Ankoatra ny fampiasana ny aroafo, mampiasa sinibe miaty dimampolo sy roanjato litatra amin’ny toerana samihafa eny an-tampon-tendrombohitra ny mponina. “Fanalefahana ny afo ny rano taterina amin’ireo “bidon” milentika ireo fa tsy hahafaty ny afo tanteraka. Lemana ny toerana sy ny bozaka izay tsy mbola may ary velesina amin’ny hazo ireo lelan’afo kelikely”, hoy hatrany ny fanazavan-dramatoa mpisera-dia, manazava ny fomba entiny miady amin’ny doro tanety raha sendra may ny manodidina an’Ankafobe.

Ankoatra ny asan-jiolahy dia mandry tsy lavo loha ny mponina manodidina ny alan’Ankafobe vokatry ny doro tanety. Mainty sy feno setroka ny lalam-pirenena fahaefatra, ankehitriny. “Tsy misy mahazo aina izahay mpikambana Voi Sohisika satria zara raha matory amin’ny alina, kanefa ny antoandro miasa foana”, hoy hatrany i Tahiry, mihomehy mijery ny namany.