Zavakanto

Andro iray, kanto iray Tandindonim-paharinganana ireo zava-maneno nampiavaka ny Malagasy

Maro ireo zavamaneno tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Manana famoronana lalina ary fandalinana ireo zavaboahary ny Malagasy taloha. Avy amin’ireo manodidina azy ihany no nakàny ny endrika, ny feo ary ny toetoetr’ireo zavamaneno malagasy fahiny. Hahafahana mahalala ny ampahantantaran’ireo Malagasy taloha noho izany ireo zavamaneno ireo. Tsinjo ao avokoa ny fiaviany, ny fomba fiainany sy ny maro samihafa.

Anisan’ny nahafantarana manokana ny Malagasy ny Valiha, izay saika hahitana azy manerana ny Nosy. Eo ihany koa ny marovany, jejy Voatavo, hazolahy, amponga, sodina sy ny hafa rehetra. Ankoatra ny fahasamihafan’ny faritra mpiangaly azy ireo, dia samy manana ny fotoana ampiasana azy ihany koa ireto karazan-java- maneno ireto. Vitsy ankehitriny no mahalala ny fisian’ireo zavamaneno ireo. Vitsy toy izany koa ny mampiasa azy ary miha manjavona tsikelikely ilay fahaiza-manao amin’ny fanamboarana azy.

Fanadinoana

Ny valiha no zavamaneno mampiavaka an’i Madagasikara na dia avy any Azia atsimo atsinanana any aza no fiaviany. Na mitovitovy endrika aza dia manana ny ahasamihafany ny antsika Malagasy. Tendrena izy ary vita avy amin’ny volontsangana. Samy manana ny fotoana hitendreny azy ny tsirairay avy, ary saika hita manerana ny Nosy izy ity. Miha manjavona anefa izy amin’izao fotoana izao.

« Raha oharina amin’ny zavamaneno hafa ,indrindra ny zavamaneno avy any ivelany, dia tsy be mpahafantatra ny valiha. Na ambara aza fa an’ny Malagasy ny valiha, dia vitsy ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora malagasy no mahafantatra azy. Noho izany, vitsy manaraka izay ihany koa ny liana amin’ny valiha. Izany hoe, tsy dia manana sehatra lehibe ivelarana ny valiha fa saika ireo olona efa ehibe sisa no mitendry azy », hoy ny fanazavan’i HaryRazafindrakoto, mpikambana avy ao amin’ny Mpamaliha.

Mihalany tamingana

Mihalany tamingana Anisan’ireo zavamaneno tandindonin-doza ireo zavamaneno nentin-drazana, ankehitriny. Zara fa misy sisa ireo mpankafy azy sy mahalala ny tena hakantony. Mitady ho fongana ihany koa ireo akora toy ny volontsangana ho an’ny valiha, ny hazo ho an’ireo amponga, ny voatavo ho an’ny jejy voatavo sy ny sisa.

« Misy karazan-kazo manokana hanaovana ny valiha ka ahiana ho fongana izany raha tsy misy ny fandraisana andraikitra. Raha mitohy io fandripahana ny ala io, dia mety any ivelany indray ireo mpandrafitra valiha sy amponga no mividy akora hanamboarana valiha, aoriana kely ao. Tsy io zavamaneno io ihany fa saika ireo zavamaneno nentin-drazana rehetra dia mitovy avokoa », hoy indray Ragasy, mpanamboatra zavamaneno malagasy sady mpanakanto ihany koa.

Asam-pikarohana

Asan’ny saina ny fanamboarana ireo zavamaneno izay anompanana hery sy fotoana hikarohana . Misy ireo mbola mikaroka fomba hafa hahafahana mamokatra zava-maneno vaovao. Isan’izany i Nandrianina Ramarosandratana, mpitarika ny kaompania Leba sy mikaroka manokana momba ireo zavamaneno nentin-drazana.

Ho azy « ny fanomezana aina vaovao indray an’ireo zavamaneno nentin-drazana avy amin’ny fampivadiana zavamaneno roa, ohatra, na ny fanolorana endrika vaovao izy ireo no hahafahana mandrisika indray ny tanora hitia an’ireo zavamaneno nentin-drazana ».

Namorona ny « Jejin’Amponga » ity mpanakanto ity, na fitambaran’ny jejy Lava sy ny amponga ary fanodinana indray ireo fitaovana tsy ampiasaina intsony. Mbola manana vinavina ny hamokatra jejy lava amin’ny habeny miala amin’ny mahazatra ihany koa izy atsy ho atsy. Manolotra atrikasa eny amin’ireo sekoly samihafa i Nandrianina, ka eny no hanentanany tsikelikely ireo ankizy hahay hikaroka sy ho liana amin’ireo zavamaneno nentin-drazana.

Mahaliana ny vahiny

Harem-pirenena adino. Vokatr’io tsy fahalalan’ny Malagasy ny soatoavina fonosin’ireo zavamaneno io, dia ny vahiny indray no liana aminy. Mivadika tsikelikely ho « vakoka » ny zavamaneno sy ireo hira ampiasana azy.

«Vitsy ny tarika mampiasa ny valiha ankehitriny. Ny mpanamboatra indray, saika tsy nihena nanaraka io tranga io satria ny ankamaroan’ireo mpanamboatra zavamaneno zokiny, saika namela ny fahaizana ho an’ny taranany. Tsy maro ny mpanjifa ary matetika aza ny vahiny no tia mividy. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa mbola tena vitsy ny mpianatra zavamaneno nentin-drazana raha oharina amin’ny mpianatra zavamaneno hafa », hoy hatrany Hary Razafindrakoto.

Mila paikady tsara

Mila trandrahina ny fomba ampahafantarana ny Mala- gasy an’ireo zavamaneno nentin-drazana. Tsy ho afaka hitia ny zavatra tsy fantany ny olona tsirairay. Mbola lavitra anefa ny lalan-kizorana satria « tsy adidin’olon-tokana ny fanatanterahana izany. Miainga any amin’ny fanjakana mandalo any amin’ny mpanamboatra sy izay rehetra misehatra na milomano ao anatin’ny zavamaneno nentin-drazana. Azo atao tsara, ohatra, ny manome lanja manokana ny zavamaneno nentin-drazana any amin’ny fandaharan’ny fahitalavitra na onjam-peo. Toraka izany koa any amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana. Ampidirina ho anisan’ny taranja ianarana any an-tsekoly ny fampianarana zavamaneno nentin-drazana. Omena sehatra lehibe hanehoany ny zava-bitany indray ny mpanamboatra ireny zavamaneno ireny » , hoy hatrany ireo mpikirakira ny zavamaneno nentin-drazana.

Zavamaneno isan-karazany

Mianantsimo mianavaratra, Atsinanana mianandrefana dia samy manana ny mampiavaka azy amin’ny zavamaneno fahiny. Samy manana ny fitrandrahana nataony ny tsirairay. Nasehon’ny fikambanana Mamohaela etsy amin’ny Ivon- toeran’ny Kolontsaina Malagasy ireo karazan-javamaneno nentim-paharazana malagasy hatramin’ny 31 jolay . Saika avoitrany ao avokoa ireo zavamaneno nana- marika vanim-potoana sy faritra maro. Ny valiha, lokanga voatavo, anjombona, marovany, sodina, kabiry, amponga, volo. Tahirin-tsary no aranty. Ao anatin’izany no hanehoan’ny mpikarakara ireo fombafomba fanao manodidina ireto zavamaneno nentin-drazana ireto. Isan’ireo efa nanabe voho ny zavamaneno nentin-drazana ihany koa ny Alliance Française Andavamamba nandritra ny hetsik’ireo mpanamboatra zavamaneno malagasy tamin’ny volana jona teo. Maro kosa ireo fikambanana toy ny Mpamaliha izay miezaka hatrany mamelona ireo zava- maneno mampiavaka ny Malagasy.