Tranga samihafa

Fanafihana kamiao Hafindra eny Tsiafahy ireo efa-dahy nahafaty mpamily

Nampidirina am-ponja, any Betroka, omaly, ireo jiolahy efatra voampanga ho namono nahafaty ilay mpamily kamiao sy ny mpanampy azy, tany Bemelo-Ianabinda, any Betroka, tamin’ny 19 jona lasa teo. Nanapa-kevitra ny Fitsarana any an-toerana fa tsy hajanona any izy ireo fa entina hampidirina eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Fikambanan-jiolahy sy vono olona niniana natao sy efa nomanina mialoha, ireo no fiampangana azy efa-dahy ireo. Nisy nampandre ny zandary any Betroka tamin’izay fa misy fiara kamiao nanary zavatra amin’ny gony teo Bemelo. Rehefa nojerena io zavatra io dia fatin’olona. Niezaka nanangom-baovao ireo mpitandro filaminana, ka fantatra fa olona nandeha fiara tsy mataho-dalana no ahiana ho nahavanon-doza. Nokarohina io fiara io ka tra-tehaka. Mbola hita nihosin-dra ireo olona efatra tao anatiny. Hita tao koa ny antsy iray feno ra. Tsy nisy nandà ny fiampangana azy izy efatra, hoy hatrany ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana.