Tranga samihafa

Trafikana zava-mahadomelina Mpamongady nahatrarana rongony 17kg

Sarona tao an-tranon’ny lehilahy iray mipetraka any Mahitsy ny rongony nafatratra tao anaty gony maro milanja fito ambin’ny folo kilao, omaly. Tratra ambodiomby itsy mpivarotra itsy vokatry ny angom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana.

Voatonontonona ho mpividy ireo rongony avy amin’ny lalam-pirenen faha4 izy, araka ny voalazan’ireo mpanao famotorana.

“Nahazoam-baovao ny filazana taty aminay ny fisian’ny lehilahy iray manangona ireo rongony avy any amin’ny lalam-pirenena faha-4. Nofantarina ny tranon’io olona io. Nanaiky ny hisavana ny tranony teo imason’ny zandriny lahy ilay lehilahy rehefa nampahafantarin’ny zandary ny fanahiana fisian’ny rongony tao aminy. Taorian’izay nahitana ireo rongony amin’ny gony marobe”, hoy ireo mpitandro filaminana avy nisava ny trano.