Tranga samihafa

Halatra entana anaty fiara Kamiao nahatrarana kiraro marobe tsy fanta-piaviana

 

 

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana manao sakana amin’ny lalam-pirenena faharoa, tany Antsangambatomaro, ny kamiao iray feno kiraro avy any ivelany miisa enina amby efapolo gony na amin’irony antsoina hoe “balle” irony.  Nampiseho faktiora samihafa ny mpami-lin’ny fiara, izay vadin’ny tompon’ny fiara ihany.

A h i a n a h o h a l a t ra vokatry ny fanafihana fiara anefa ireo entana ireo, raha ny voalazan’ny loharanombaovao akaiky ny mpanao famotorana. Nogiazan’ny zandary ilay kamiao. Notazonina ihany koa ny mpamily.

Vehivavy mpivarotra ao Marofify no tompon’ity fiarabe ity. Fantatra fa efa voasambotra tamina raharaha fahavakisana fiarabe tany amin’ny lalam-pirenena faharoa izy ka natolotra ny Fitsarana ary nahazo fahafahana vonjimaika tamin’ity taona ity, araka ny fanampimbaovao avy amin’ny mpanao famotorana.