Sosialy

Fiverenana fisokafana Manome antoka ny mpanjifa ireo mpitantana « Hotel-hopital »

Hiverina amin’ny fandraisana vahiny sy mpanjifa indray ireo trano fandriambahiny navadika ho toerampitsaboana an’ireo mararin’ny Covid-19 na ny « Hotelhopital ». Manamafy ny fanatanterahana ny fanadiovana rehetra nilaina tamin’ny famonoana tsimok’aretina na izay mety hitondra aretina ny « Hopital-hotel ». Isan’ireo nanamafy izay ary nanome antoka ny mpanjifa ny mpitantana ny Live Hotel, etsy Andavamamba, mialoha ny handraisan’izy ireo olona amin’ny herinandro ambony. Mbola ao anatin’ny fanadiovana tanteraka sy fikarakarana ihany koa ny toerana fandraisam-bahiny iray avy nitsaboana mara-rin’ny Covid-19, tamin’ny herinandro.

“Marary roa sisa no ato aminay ary hivoaka rahampitso (Naotin’ny Fanoratana: anio). Manadio tsikelikely izahay amin’izao fotoana izao. Haverina sady hatao isan’andro ny fanadiovana hanamafisana ny efa nisy hatramin’ izay. Manome toky ny mpanjifa izahay ny amin’ny fisokafana handraisana azy ireo indray. Betsaka ny fanadiovana notontosaina, toy ny fanosorana “vernis” ny fanaka. Nosoloina ny lamba rehetra any amin’ny efitrano. Navoaka ny fandriana. Tsy misy ny tokony hatahorana”, hoy i Faraniaina Mamisoa, tompon’ andraikitra ao amin’ny Live Hotel Andavamamba. Fito amby telopolo ny efitrano nandraisana marary tao amin’ity toerana fandriambahiny lehibe ity. Nodiovina isaky ny avy ialan’ny marary ny efitrano iray. Ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamambahoaka no nisahana ny famendrahana ranom-panafody mamono mikraoba.