Tranga samihafa

Fikasihan-tanana am-perinasa Misy mitory ihany koa ilay vadintany naratra

Notorian’ireo olona voalaza fa nikasi-tanana sady nandratra azy ilay vehivavy vadintany. Nampiaka-peo manoloana ny tsy fanajana ny lalàna ny filohan’ny Holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty.

Nampahafantariny fa « araka ny voafaritry ny lalàna laharana 2005-034 tamin’ny 20 mey 2006 momba ny sata fototry ny vadintany dia tsy maintsy havantana any amin’ny Tonia mpampanoa lalàna ambony mahefa ireo fitoriana rehetra mikasika vadintany sy ny mpanao lavanty mandritra na ivelan’ny asa andavanandro”. “Mila ampahafantarina amin’ny biraon’ny Holafitra ny fanenjehana ara-keloka rehetra an’ireo mpikambana ao aminy mba hahazoany mametraka eo amin’ny ambaratongam-pitsarana mahefa ny heviny ao anatin’ny iray volana », hoy Rasamimaka Mahefalahy, filohan’ny Holafitry ny vadintany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly.

Nanao ny asany momba ny fizarana lova amin’olona maromaro, teny Soavinandriana itsy vadintany vehivavy itsy, tamin’ny 12 mey lasa teo no voalaza fa voakasi-tanana ka naratra mafy nentina teny amin’ny hopitaly Soavinandriana mihitsy.