Sosialy

Fanakatonana CTC-19 Tafafindra toerana ireo marary folo teny Soamandrakizay

Nakatona ny Ivon-toeram-pitsaboana ny Covid-19 na CTC-19 eny Soamandrakizay sy Ankorondrano. Nafindra toeram-pitsaboana hafa ireo marary nokarakaraina teny.

Marary folo avy teny Soamandrakizay, ohatra, no nafindra hotsinjaraina any amin’ireo CTC-19 mbola misokatra sy ireo hopitaly hafa misahana ny Covid-19, omaly. Efa nalefa nody omaly, kosa ireo olona roa notsaboina tetsy Ankorondrano. Noesorina ny entana sy ny fitaovana rehetra nampiasaina tao amin’ireo CTC-19 roa ireo. Haparitaka hanampy amin’ny fikarakarana eny amin’ny hopitaly ireo mpitsabo niasa tao hatramin’izay.

Tsiahivina fa miisa fito ireo CTC-19 natsangana teto amin’ny faritra Analamanga. Telo sisa no mbola misokatra, ankehitriny: ny CTC-19 Mahamasina, CTC-19 Voara Andohatapenaka, ary ny CTC-19 Mandriamena Andoharanofotsy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra