Faritra Samihafa

Fitaovam-piadiana Sarona ny basy telo saika hamidy any Sambava

Nahatratra olona nitondra fitaovam-piadiana ny polisy manao sakana sy fisavana any amin’ny lalam-pirenena fahenina, any Ambanja, ny herinandro lasa teo. Sarona teny amin’ny lehilahy roa ny basy lava iray sy basy poleta roa miaraka amin’ny bala.

Voalaza fa nokasaina hoentina hamidy any Sambava ireo fitaovam-piadiana ireo. «Anisan’ny asan’ny polisy ny fanaraha-maso sy fisavana ny fiara mivezivezy. Tamin’izany indrindra no nahatrarana an’ireto lehilahy roa nitondra basy ireto. Manentana ny vahoaka hatrany izahay amin’ny fampitam-baovao amina fihazonana sy fitondrana fitaovam-piadiana mivezivezy toy izao », hoy ny Commissaire Principal de Police Saramba Joseph, lehiben’ny Kaomisa­rian’ny polisy, any Ambanja.

Vita Sovietika ilay basy lava. Samy vita tanana kosa ireo basy poleta roa. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana
fa avy any Toliara sy Marovoay ary nalaina tao Ambanja ireo fitaovam-piadiana ireo.