Fanatanjahantena

Tsipy kanetibe Analamanga Filoha vaovaon’ny ligy Andrianolalaina Robinson

Niova ny mpitantana ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe taorian’ny fahalanian’Andrianolalaina Robinson, ho filohan’io rafitra io mandritra ny efa-taona manaraka, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tetsy Antanimbarinandriana.

Telo mirahalahy ireo mpifaninana tamin’ny fifidianana, izay nahitana an’Andriamanana Mbolatiana, mpitantana teo aloha sy Ramananjatovo Heritiana ary Andrianolalaina. Klioba valo ambin’ ny folo no nandatsa-bato ary nahazoan’ny filoha vaovao isam-bato folo. Fanambiny ny hampidirana ireo mpilalao rehetra anaty rafitra federaly. Hisy ny fitsirihana ireo manan-talenta eny anivon’ny fokontany. Eo koa ny fananganana kianja manokana ho an’ny ligin’ Analamanga. Miandry ny federasiona vaovao kosa ny famaritana ny fanombohan’ny taom-pilalaovana, araka ny fantatra. Dingana manaraka ho an’ny taranja tsipy kanetibe ny fifidianana ny ho filohan’ny federasiona Malagasy (FMP). Any Antsirabe no hanatanterahana azy, amin’ny 10 avrily 2021, raha tsy misy ny fiovana.