Sosialy

Tetiandrom-pialan-tsasatra Hajain’ny sekoly rehetra ny fiatoana dimy ambin’ny folo andro

Mihatra amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ny fanitarana ny fialan-tsasatry ny Paska, araka ny tapaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra, afak’omaly, ary manomboka anio hatramin’ny 18 avrily 2021. Ho fanarahamaso ny fivoaran’ny valanaretina Covid-19 sady ho fiarovana an’ireo mpianatra no anton’ny fanapahan-kevitra, saingy misy amin’ireo sekoly tsy miankina, izay efa niala sasatra herinandro mialoha, no mikasa ny tsy hanaraka an’io tetiandro vaovao io. Mazava anefa ny fampahafantarana amin’ny fanajana an’ izay tapaka ary miantefa amin’ny sekoly tsy an-kanavaka. « Ho an’ny sekoly rehetra iny, na fanjakana na tsy miankina, eny fa na lasa aloha aza ny fialan-tsasatr’izy ireo. Amin’ny 19 avrily 2021 avokoa vao tokony hiverina an-tsekoly ny mpianatra rehetra. Efa misy ihany koa ny tenimita navoakan’ny minisitera androany (Naotin’ny Fanoratana : omaly) mikasika izany », araka ny fanamarihan-dRaoniherijaona Andriamiakatsilavo, tale jeneraly pedagojika ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazampirenena.

Milaza ny efa nametraka ny fandaminana ireo sekoly sasany mikasa hinia handika ny fanapahan’ny Filankevitry ny minisitra, toy ny fampifandimbiasana an’ireo mpianatra miakatra any an-tsekoly isaky ny roa andro. Amin’ny 8 avrily no heverin’ izy ireo fa hamerenana ny mpianatra any an-dakilasy indray.