Sombiny

Jeneraly vaovao

Hotontosaina eny amin’ ny toby kolonely Andriamahasolo Mohajy, etsy Fort Duchesne, anio, ny famindram-pibaikoana eo amin’ny lehiben’ny Hery vonjy taitran’ny Zandarimaria (Fign) teo aloha, ny jeneraly Tsitambala Nixor, sy ny mpisolo azy, ny jeneraly Mamelison Mbina Ninos. Voatendry ho kaomandin’ny fari-piadidiam-paritany Zandarimaria any Toliara itsy jeneraly lehiben’ny Fign teo aloha itsy, araka ny notinapaky ny Filankevitry ny minisitra, tamin’ny 24 marsa lasa teo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra