Tapatapany

Fitaterana amin’ny Paska

Miantso ny rehetra mba tsy hivoaka ny trano sady hampihena ny fifezivezena mandritra ny faran’ny herinandro na ny fetin’ny Paska ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) mba hanapahana ny fifindran’ny valanaretina Covid-19. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ATT, Reribake Jeannot fa mila hajaina daholo ireo fepetra sakana rehetra, toy ny fanaovana arovava sy orona, fanasana tanana matetika, sy ny fisorohana amin’ny fitangorongoronana, rehefa tsy mantsy hivoaka ny trano ihany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra