Mamarana ny Karemy isika ka handeha handinika ny fitiavan’Andriamanitra Ray an’izao tontolo izao, izay namoizany ny zanany, dia i Jesoa Kristy. Izy no nanambara fa « tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany », Jo 15,13.
Tanterak’i Jesoa tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny sitrapon’Andriamanitra Rainy, tamin’ny alalan’ny famonjena antsika. « Tanteraka ny zavatra rehetra, hoy Izy », Jo 19,30. Ary tsarovy fa ny fahafatesan’i Jesoa no mitondra fanavotana sy fiainana. « Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batemy hoamin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty, tamin’ny voninahitry ny Ray, no andehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa » , Rom 6,4.
Ny Karemy no mifarana anio fa ny fiainana miaraka amin’Andriamanitra dia mandritra ny fiainana manontolo mba hahatongavana any an-danitra. Andeha ary hanapa-kevitra isika mba handevina ny fahazarandratsy fanao ka hikatsaka ny tsara mandrakariva mba ho tena Paka ny fiainantsika.
Hanome hevitra