Mikaroka hevi-baovao hamalifaliana ny mpandrindra fety an-kalamanjana sasany, amin’ izao fiatoan’ny seho an-tsehatra izao. « Star Tour Live”, io no hoentin’ny orinasa Star, hampialana voly ny rehetra, mandritra ny fetin’ny Paska, hankalazaina amin’ny 4 sy 5 avrily ho avy izao. Hafa kely izy ity satria fampisehoana arahina ao amin’ny tambajotran-tserasera « Facebook ».
« Mijanona ao an-trano ny ankamaroan’ny olona mifety noho ny fepetra ara-pahasalamana. Sady fampialana voly no hampirisihana azy ireo tsy hivoaka ny trano no tanjonay », hoy ny mpikarakara.
Hisy fizaràny maromaro ny fandaharam-potoana. Hanamarika ny tontolo andron’ny alahady 4 avrily ny fampisehoana hifandimbiasan’i Samoela sy i Tence Mena. Mizara roa kosa ny lanonana ho an’ny Alatsinain’ny Paska, 5 avrily. Dihy mirindra hombana fanatanjahantena na ny “Fitness Eau Vive” no hibahan-toerana ny tapak’ andro maraina. Kalo an-dampihazo hifampizaràn’i Johane sy ny tarika Reko kosa no hamarana ny fiarahana ny hariva. Hiantsoroka ny fanentanana mandritra ny lanonana kosa ny mpikosola kapila, Tejay Jerry sy Cyemci, mandritra ireo roa andro ireo.
Hanome hevitra