Kolontsaina

Fanamarihana iraisam-pirenena Hotontosaina an-tambajotra ny andron’ny dihy

Hankalazaina amin’ny 29 avrily 2021 ny andro manerantany ho an’ny dihy. Toy ny tamin’ ny taona lasa dia hotanterahina an-tambajotran-tserasera sosialy ny fanamarihana noho ny fisian’ ny fepetra fiarovana amin’ny valanaretina. Nanafoana fandaharam-potoana maromaro ny Vondron’ireo mpandihy eto Gasikara (MEG) manoloana ny toe-draharaha ara-pahasalamana ankehitriny ka nanentana an’ireo mpikambana amin’ny fanolorana soradihy na lahateny sy izay mampanentana ny aingampanahiny rehetra ao anaty tambajotran-tserasera sosialy ry zareo.

Vondrona sasantsasany no maminavina hamokatra horonantsary naneho ny fahaizamanaon’ireo mpikambana ao aminy, na ireo mpandihy, na mpiangaly soradihy, na ireo fikambanana sy sekoly ary ny maro hafa.

«Toy ny any amin’ireo zavakanto rehetra dia miha mivoatra toy ny any ivelany ny dihy eto amintsika. Tsy nanakana ny mpandihy malagasy hanadihady sy hanokatra ny fahalalany ary hamorona soradihy anefa izany. Isan-karazany ny fampianarana mbamin’ny fanolorana seho sy ny fifaninanana ary ny fifampizaràna traikefa”, hoy i Ariry Andriamoratsiresy, isan’ireo andrarezin’ny dihy ankehitriny eto Madagasikara.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao