Samihafa

Fampirisihana vaky boky Ifarimbonana ny fizaràna maimaim-poana ny “Diary Nofy”

Hafa kely ny paika hoentin’ny Vondrona Filatex manohana ny hetsika ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fikambanana tsy miankina « Teach for Madagascar » amin’ny fizaràna maimaim-poana an’ilay boky mirakitra angano « Diary Nofy », eny amin’ireo Sekoly ambaratonga fototra na EPP. Fandraisana anjara amin’ny alalan’ny fividianana boky marobe mba hahazo kadoa mihoatra lavitra, izay avo efatra heny mihitsy, no nosafidian’io vondrona io mba hahafahana mizara ny « Diary Nofy » amin’ny mpianatra be dia be.

Sady fanomezan-danja ny fanabeazana sy ny fizaràmpahalalana amin’ireo kilonga kely no fanohanana ny maha zava-dehibe ny kolontsaina, indrindra ny famakiana boky, izao paika fividianana bokin’angano izao. Hiarahan’ny Filatex amin’ireo fikambanana samihafa, toy ny Akany fitaizana zaza kamboty Tokotelo, ny fikambanana tsy miankina Yamuna sy ny « Les écoles du monde » ary ny Accion Baobab, amin’ny alalan’ny akany La Casa de Los Ninos, ity fikendrena fizaràna boky maimaim-poana ho an’ny ankizy ity. Ny fividianana boky iray amin’io « Diary Nofy » io mantsy no hahafahana manonta boky dimy hafa. Izay no antony nirotsahan’ny vondrona Filatex an-tsehatra amin’ny fividianana boky maro mba hampitombo ny mpianatra hisitraka an’izany boky angano izany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao