Kolontsaina

Fialam-boly Tantara an-tsary valo azo vakiana amin’ny aterineto

Manome vahana an’ireo mpamaky boky ny trano famoahana « Des bulles de l’océan » (DBDO), amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao. Tantara an-tsary valo no atolotr’izy ireo ho azo vakiana maimaim-poana ao amin’ny tranonkalany (dbdo-editions.com).

Sanganasana mpanao sary malagasy ny telo amin’ ireo boky valo ireo. Hita ao ny “Mégacomplots á Tananarive”, izay niarahan’i Pov sy Dwa nanatontosa. Tazana ao ny “Chapeau noir”, kalinasan-dRakotobe Nirimalala sy Rafally. Tsy ambakan’ireo koa ny “Tangala- andiany voalohany, L’aristogasy”, niangalian’i Tojo Alain sy Motus.

“Ho fampiroboroboana ny famakiana ny tantara an-tsary no anton’izany. Eo ihany koa ny fanomezana fialam-boly ny rehetra amin’izao tsy fahafahana mivoaka ny trano izao”, hoy ny avy amin’ny DBDO.