Tranga samihafa

Asa ratsy an-dalambe Andian-dehilahy mirongo basy mandroba mpitondra môtô

Tafaporitsaka ny andian-dehilahy mpanakana sady mandroba môtô nandalo teny amin’iny lalam-baovao eny Andohantapenaka iny, rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana, tamin’ny marainan’ny alatsinainy lasa teo. Tavela teo ny basy nampiasain’izy ireo ka nogiazan’ny polisy.

Nisy nampandre haingana ny polisy miasa eo amin’ny tobin-tsolika eo amin’ny Maki Andohantapenaka fa misy lehilahy roa mitondra basy manakana mpitondra môtô, tsy lavitra eo. Fantatra fa lehilahy iray nandeha môtô no nosakanan’ ireo olon-dratsy sady nambanan’izy ireo tamin’ny basy. Nanohitra ilay voatafika. Latsaka teo amin’ny tany, rehefa novelesiny tamin’ny aroloha, ny basy teny an-tanan’ireo mpanendaka. Nirifatra nandositra iretsy farany nony nahatazana ny polisy.

Tsy nisy ny zavatra voaroba teny amin’ilay nandeha kodiarandroa. Tsy nisy ihany koa ny basy nipoaka sy ny olona naratra.